Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 3:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nitsangana i Josoa zanak’i Jozadaka sy ny mpisorona rahalahiny ary i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Israely mba hanolorana fanatitra dorana manontolo eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia nitsangana Jesoa, zanak’i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:2
33 Rohy Ifampitohizana  

Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.


I Mosesy dia lehilahin’Andriamanitra; natao ho anisan’ny fokon’i Levỳ kosa ny zanakalahiny,


Ireo zanakalahin’i Jekônià, ilay lasan-ko babo tany Babilôna, dia i Sealtiela


Ny zanakalahin’i Pedaià dia i Zerobabela sy i Simehỳ; ny zanak’i Zerobabela dia i Mesolama sy i Hananià mirahalahy, i Selômita anabaviny,


Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»


Tamin’ireo taranaky ny mpisorona dia nisy naka vehivavy hafa firenena ho vady, ka ireto avy: tamin’ny taranak’i Jesoa mirahalahy avy, zanakalahin’i Jôtsadàka, dia ry i Mahaseià sy i Elihezera ary i Jariba sy i Gedalià;


tamin’ny taranak’i Imera, dia ry i Hanany sy i Zebadià;


tamin’ny taranak’i Harima, dia ry i Mahaseià sy i Elià mbamin’i Semahià sy i Jehiela ary i Hozià;


tamin’ny taranak’i Pasehora, dia ry i Eliôhenay sy i Mahaseià mbamin’i Jismahela sy i Netaneela ary i Jôzabada sy i Elehasa.


ireo no nandeha niaraka tamin’ireto mpitarika azy ireto, dia ry i Zerobabela, i Jesoa, i Nehemià, i Seraià, i Relaià, i Môrdôkay, i Bilsàna, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma, ary i Bahanà. Izao kosa no isan’ny vatan-dehilahy tao anatin’izany andian’Israelita izany:


Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;


Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.


Ireto no mpisorona sy levita izay niverina avy any an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela sy niaraka tamin’i Jesoa: I Seraià sy i Jeremià ary i Hezrà,


Ny levita kosa dia ireto avy: i Jesoa sy i Binoy ary i Kadmiela mbamin’i Serebià sy i Jehodà ary i Matanià. Ity Matanià ity sy ny havany no mpiventy hira fiderana,


fa ny fokon’i Joda no voafidiny ary ny tendrombohitra Tsiôna no maminy;


«Hisy alitara fisoronana hamboarina amin’ny hazo mimôzà. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:


I Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky mbamin’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain’i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan’ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.


Dia notairin’ny TOMPO ny risi-pon’i Zerobabela governoran’i Joda sy ny an’i Josoa mpisorombe ary ny an’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany; ary dia rafitra ireo nanao ny tranon’ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamaniny,


Hafatra ho an’i Zerobabela governoran’i Joda izany, ka hoy i Hagay taminy: –Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany.


Kanefa amin’izany andro izany, dia hotolorako andraikitra ianao, ry Zerobabela mpanompoko sady zanakalahin’i Sealtiela. Hataoko sarobidy toy ny peratra tombokase ianao, fa efa voafidiko hisolotena Ahy. Izany no fampanantenana hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»


Ary nasehon’ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan’ny anjelin’ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan’i Josoa i Satàna mba hiampanga azy.


«Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.


Ary hakànao volafotsy sy volamena izany, dia hanaovanao satroboninahitra ka hapetrakao eo an-dohan’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky;


«Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an’ny TOMPO, amin’ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.


zafin-dohalik’i Jôhanàna, zafin-kitrokelin’i Resà, zafim-paladian’i Zerobabèla ary zafin-dorian’i Sealtièla; dia i Sealtièla zanakalahin’i Nerỳ,


Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra