Hagay 1:1 - DIEM PROTESTANTA1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe: Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy mpanjaka no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, nilaza hoe: Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe: Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe: Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 TAMIN’ny andro voalohany tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe: Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe: Jereo ny tokoLa Bible en Malgache1 Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy mpanjaka no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe*, nilaza hoe: Jereo ny toko |
Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.
Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao;
Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ.
Dia nanohy ny taotrano ireo loholona jiosy ka nambinina, araka ny hafatra nentin’ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao. Nanorina ka nahavita ny tempoly ry zareo, araka ny didin’Ilay Andriamanitr’i Israely sy araka ny baikon-dry i Kirôsa sy i Dariôsa ary i Artakserksesa, amperôran’i Persia.
I Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela ary koa i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky mbamin’izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany dia nandray tsara ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny, izay nampitain’i Hagay mpaminany araka ny efa nanirahan’ny TOMPO Andriamaniny azy; ary naneho fanajana ny TOMPO ireo olona ireo.
Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao,