Avy eo dia teraka indray ilay zaza misy kofehy mena tamin’ny sandriny ka nataon’i Joda hoe Zera na Fiposahana ny anarany.
Nehemia 11:24 - DIEM PROTESTANTA I Petahià, zanakalahin’i Mesezabela sady anisan’ny terak’i Zera zanakalahin’i Joda, dia teo anilan’ny amperôra mba hiandraikitra ny raharaha rehetra momba ny vahoaka israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Petahia, zanak’i Mesezabela, isan’ny taranak’i Zera, zanak’i Joda, dia teo anilan’ny mpanjaka mba hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Petahià, zanakalahin’i Mesezabela sady anisan’ny terak’i Zera zanakalahin’i Joda, dia teo anilan’ny amperôra mba hiandraikitra ny raharaha rehetra momba ny vahoaka israelita. Baiboly Katolika I Faratiasa zanak’i Mesezebela, isan-taranak’i Zarà, zanak’i Jodà kosa no mpanao raharahan’ny mpanjaka, amin’ny raharaha rehetra momba ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Petahia, zanak’i Mesezabela, isan’ny taranak’i Zera, zanak’i Joda, dia teo anilan’ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ny olona. Malagasy Bible Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona. La Bible en Malgache Ary i Petahia, zanak’i Mesezabela, isan’ny taranak’i Zera, zanak’i Joda, dia teo anilan’ny mpanjaka mba hitandrina ny raharaha rehetra ny amin’ny olona. |
Avy eo dia teraka indray ilay zaza misy kofehy mena tamin’ny sandriny ka nataon’i Joda hoe Zera na Fiposahana ny anarany.
I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.
i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjaka.
Manolo-tena izy ireo hobaikoin’ny taranak’i Aharôna ny amin’ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO na momba ireo kianja aman’efitrano izany na momba ny fanadiovana ireo fitaovana masina rehetra. Ny raharaha mifandray amin’ny fanompoana ny tranon’Andriamanitra dia ireto:
Teo an-kilan’ireo no namboatra ny manda i Meremôta zanakalahin’i Onà sy zafin’i Hakôtsa; nanarakaraka azy i Mesolama zanakalahin’i Besekià sy zafin’i Mesezabela; ary nanarakaraka io indray i Tsadôka zanakalahin’i Bahanà.
I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama.