Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:30 - DIEM PROTESTANTA

«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady; lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ny nahazo babo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko.

Jereo ny toko



Mpitsara 5:30
11 Rohy Ifampitohizana  

Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.


Dia navoakan’ilay mpanompo izy; ary nohidiany ny varavarana, rehefa tafavoaka izy. Nanao akanjo lava misoratsoratra i Tamara; fa izany no fentin’ny zanakavavin’ny mpanjaka, raha mbola virijiny izy.


dia vetivety ny fireharehan’ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mpivavaka.


Mamirapiratra tokoa ilay Andriambavy ombàn’ny firavaka mifaham-bolamena.


Injao ny Tompo mandefa hafatra, ka dia zavon-tany ny vehivavy mitondra ny vaovao manao hoe:


Dia hoy ireo fahavalony hoe: «Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika, halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo; hotsoahantsika ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanantsika.»


Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.


Aleo manetry tena miaraka amin’ny olona mahantra toy izay mizara babo miaraka amin’ny mpiavonavona.


Nohamaroinao ny fifaliany ary nampitomboinao ny firavoravoany. Miravoravo eo anatrehanao izy tahaka ny iravoravoana amin’ny fararano sy anaovana antsoantsom-pifaliana rehefa injay mizara babo ny olona.


Tonga hiady ireo mpanjakan’i Kanahàna ka dia nanafika tao Tahenàka, teo akaikin’ny loharanon’i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy!


Izay hendry indrindra tamin’ireo andriambavy namany no nanome azy izao valinteny manaraka izao, ka izany koa no naverimberin’ny tenany hoe: