Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 5:31 - DIEM PROTESTANTA

31 TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, ry TOMPO ô! Fa izay tia Azy kosa, aoka ho tahaka ny masoandro miposaka amin’ny heriny. Dia nandry ny tany nandritra efapolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô, ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy, kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, ry TOMPO ô! Fa izay tia Azy kosa, aoka ho tahaka ny masoandro miposaka amin’ny heriny. Dia nandry ny tany nandritra efapolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 5:31
39 Rohy Ifampitohizana  

Ary tonga tamin’izay ilay Kosita ka nanao hoe: –Manam-baovao tsara ho anao aho, ry andriamanjaka; fa ankehitriny ny TOMPO efa nanome rariny anao ka nanafaka anao tamin’ireo rehetra nitsangana hikomy aminao.


Dia hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita: –Mba tsara ihany ve ny amin’i Absalôma zatovolahy izay? Fa hoy kosa ilay Kosîta: –Ho tahaka an’iny zatovolahy iny anie, ry andriamanjaka, ny fahavalonao sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao!


dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro amin’iny maraina tsy misy rahona iny. Ny tarany mafana mandimby ny orana no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»


Koa isa-maraina dia miseho ilay izy toy ny mpampakatra mivoaka ny tranony; toy ny olo-matanjaka faly maka bahana mba hanefa ny hazakazaka fanaony.


Ny an’ny sasany, ny kalesiny no itokiany; ny an’ny hafa, ny soavaliny no iankinany; ny anay kosa, ny anaran’ny TOMPO Andriamanitray no hany hery ianteheranay.


Ny rariny anananao hasehony ho toy ny mazavatsinanana; ny zo tandrify anao haharihariny ho tahaka ny mitataovovonana.


Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny; tamin’ny fahamasinako no nanaovako izany fa tsy hamitaka velively an’i Davida Aho:


Hisy hatrany hatrany ny taranany; ary tahaka ny aharetan’ny masoandro no haharetan’ny sezafiandrianany eo anatrehako;


Hoy ny Tompo hoe: «Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko; harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.


Ireo fahavalonao kosa, TOMPO ô, eny, ireo fahavalonao dia ho levona ireo mpanao tsy an-drariny hiparitaka avokoa.


Ianao, TOMPO ô, no ambony indrindra ka mitoetra ho mandrakizay!


Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahalà ny ratsy fa miaro ny ain’ireo mpivavaka aminy Izy ka manafaka azy tsy ho voatanan’ny olon-dratsy.


Mandre izany i Tsiôna ka miravo; ireo tanànan’i Joda mifaly noho ny fifehezanao, TOMPO ô,


nefa kosa izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko, dia hanehoako famindrampo hatramin’ny taranaka faharivo.


Ny fitondrantenan’ny olo-marina dia toy ny fahazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.


Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.


Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»


Amin’izay kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!


Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.


Fa izay manam-pitiavana an’Andriamanitra kosa dia fantatr’Andriamanitra.


Ny fahasoavan’Andriamanitra anie homba izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety lefy!


Koa tiavo ny TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo.


Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny;


Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.


Mihainoa, ry havako malala: ireo mahantra eto amin’izao tontolo izao no efa nofidin’Andriamanitra, mba hanan-karena amin’ny finoana ka handray ny Fanjakana izay nampanantenainy homena ireo tia Azy.


Manam-pitiavana an’i Jesoa Kristy ianareo, na dia tsy nahita Azy aza; mino Azy ianareo, na dia tsy mahita Azy aza ankehitriny: izany no iravoravoanareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sady be voninahitra,


Nitana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany ary ny tarehiny dia manelatrelatra tahaka ny masoandro faran’ny mamirapiratra.


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»


Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.


Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra