Mpitsara 21:19 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia tsaroan’ny loholona fa hisy ny fety fanao isan-taona ho an’ny TOMPO any Silao izay eo avaratr’i Betela sy ao atsimon’i Lebônà ary ao atsinanan’ny lalana mampitohy an’i Betela sy i Sekema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia tsaroan’ny loholona fa hisy ny fety fanao isan-taona ho an’ny TOMPO any Silao izay eo avaratr’i Betela sy ao atsimon’i Lebônà ary ao atsinanan’ny lalana mampitohy an’i Betela sy i Sekema. Baiboly Katolika Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna, Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’i Jehovah any Silo, izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny làlambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’i Lebona. Malagasy Bible Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona. La Bible en Malgache Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona. |
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Rehefa tafiditra any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatrareo any, dia mitondrà ilay amboara voalohany amin’ny vary ôrza hojinjainareo ho any amin’ny mpisorona.
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, no hiantombohan’ny fankalazana ny Tranotomboka, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro.
«Ireto kosa no fankalazana manetriketrika hafa naraikitro ka hasiana fanompoam-pivavahana koa amin’ny fotoany avy:
«Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan’ny fetin’ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.
Ary amin’ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin’ny andro voalohan’ny volana dia hotsofinareo ny trômpetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
«Ny andro faha-14, amin’ny volana voalohany isan-taona, no hankalazana ny fetin’ny Paska, ho voninahitry ny TOMPO.
«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.
«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.
Taorian’izany, dia nisy fankalazana nataon’ny Jiosy ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.
Dia hankalaza ny fetin’ny Pentekôsta ianareo, ka hanavaka fanati-tsitrapo homenareo araka izay itahian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
Rehefa voaangonareo ny avy amin’ny famoloanareo sy famiazanareo, dia hankalaza ny fetin’ny Tranotomboka ianareo.
Taorian’ny nandresen’ny Israelita ilay tany, dia nivory tao Silao ny fiangonana israelita tsivakivolo ka tao no nananganany ny Tranolay fihaonana amin’Andriamanitra.
Nokajin’ireo ilay sampin’i Mikà tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tranon’Andriamanitra tao Silao.
Koa nanoro hevitra ireo lehilahy benjaminita izy hoe: –Mandehana miafina any anaty voaloboka,
Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.