Izany fankalazana izany koa dia tokony hampandrenesina ny olona ka hanaovana antso avo mitety an’i Jerosalema sy ny tanàna rehetra: hasaina mandeha any an-tendrombohitra ny olona haka sampan’ôliva volena na maniry ho azy, sampan-drotra, sampan-drofia, ary sampan-kazo be ravina mba hanaovana tranotomboka.
«Indrisy, ry Ariela! Ry Ariela, tanànan’i Jerosalema, nataon’i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan’ny andro fety,
Izy no ho mpitsara amin’ny fifanolanana ary hamoaka didim-pitsarana araka ny lalànako. Hankalaza ny fetim-pivavahana araka ny fitsipika sy ny fepetra nataoko izy sady hanokana ny andro sabata ho Ahy.
mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:
Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.
«Ireo àry no fankalazana manetriketrika naraikitro, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo sy hanateranareo sorona levonina amin’ny afo ho AHY, dia sorona dorana manontolo ombàn’ny fanatitra vokatry ny tany, na sorom-pihavanana ombàn’ny fanatitra araraka, samy amin’ny fotoanandrony avy.