Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany hanontany Azy hoe: –Aiza no tianao hanomananay ho anao ny sakafo Paska?
Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?
Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io.