Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 23:6 - DIEM PROTESTANTA

6 «Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan’ny fetin’ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’NY TOMPO, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 «Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan’ny fetin’ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary ny andro fahadimy ambin’ny folon’io volana io, dia fetin’ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an’i Iaveh; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ny andro fahadimy ambin’ny folo amin’izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'izany volana izany dia andro firavoravoana ho an'i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:6
9 Rohy Ifampitohizana  

«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.


Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra