Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 23:2 - DIEM PROTESTANTA

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny amin’ireo andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO izay hantsoinareo hoe fivoriana masina, dia izao no izy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibe ho an’i Iaveh izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Ny amin’ny fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Ny amin’ireo andro firavoravoana voatendrin’NY TOMPO izay hantsoinareo hoe fivoriana masina, dia izao no izy:

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:2
28 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Jehò: –Aoka hisy fivoriana manokana hankalazana an’i Bahala! Dia natao ny fiantsoana.


ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin’ny sabata na amin’ny andro voalohan’ny volana na amin’ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan’ny levita azy eo anatrehan’ny TOMPO.


Fa indro aho efa hanao trano ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitro, dia trano izay hatokako ho Azy; ao no handoroana vovo-javamanitra eo anatrehan’ny Tompo sy hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka ary hanolorana sorona dorana manontolo, dia ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy isan-kariva ary koa izay fanao amin’ny sabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fetin’ny TOMPO Andriamanitray; ho fepetra raikitra ho an’ny Israelita izany.


Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.


Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin’ny valiha.


Nony hitan’i Aharôna izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan’ny sarivongana izy, ary nanambara hoe: –Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!


Ndeha topazonao maso i Tsiôna, fankalazàntsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.


Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!


Izy no ho mpitsara amin’ny fifanolanana ary hamoaka didim-pitsarana araka ny lalànako. Hankalaza ny fetim-pivavahana araka ny fitsipika sy ny fepetra nataoko izy sady hanokana ny andro sabata ho Ahy.


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.


Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.


Tsofy ao Tsiôna ny anjomara, manokàna andro fifadian-kanina, ary miantsoa fivoriambe.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.


«Ireo àry no fankalazana manetriketrika naraikitro, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo sy hanateranareo sorona levonina amin’ny afo ho AHY, dia sorona dorana manontolo ombàn’ny fanatitra vokatry ny tany, na sorom-pihavanana ombàn’ny fanatitra araraka, samy amin’ny fotoanandrony avy.


«Ireto kosa no fankalazana manetriketrika hafa naraikitro ka hasiana fanompoam-pivavahana koa amin’ny fotoany avy:


Toy izany no nameperan’i Mosesy ny Israelita ny amin’ireo fankalazana manetriketrika naraikitry ny TOMPO.


Ary amin’ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin’ny andro voalohan’ny volana dia hotsofinareo ny trômpetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»


«Ireo no sorona hatolotrareo ho an’ny TOMPO amin’ny andro fetinareo, afa-tsy izay hataonareo ho fanalàm-boady sy fanati-tsitrapo na sorona dorana izany na fanatitra lafarinina sy divay na koa sorom-pihavanana.»


Taorian’izany, dia nisy fankalazana nataon’ny Jiosy ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa.


Eny, tiako ho fantatrareo fa miezaka mafy tokoa aho hanasoavana anareo sy izay any Laôdisia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako velively.


Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin’ny fankalazana na amin’ny tsinambolana na amin’ny sabata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra