Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 23:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:1
13 Rohy Ifampitohizana  

ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin’ny sabata na amin’ny andro voalohan’ny volana na amin’ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan’ny levita azy eo anatrehan’ny TOMPO.


Ny tempoly hataoko dia ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ilay Andriamanitray.


Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.


Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.


Izy no ho mpitsara amin’ny fifanolanana ary hamoaka didim-pitsarana araka ny lalànako. Hankalaza ny fetim-pivavahana araka ny fitsipika sy ny fepetra nataoko izy sady hanokana ny andro sabata ho Ahy.


Io printsy filohan’i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin’ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian’ny vahoakan’i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny vahoakan’i Israely.»


«Amin’ny fotoan-dehibe sy ny andro fety dia varimbazaha telopolo kilao no hatao fanatitra isaky ny sorona ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heverina ho mety isaky ny zanak’ondry; dia hampiana diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.


Izaho no namoaka anareo hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO.»


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:


Toy izany no nameperan’i Mosesy ny Israelita ny amin’ireo fankalazana manetriketrika naraikitry ny TOMPO.


dia hanao sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, na koa sorona hafa ho fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na fanatitra amin’ny fety. Hofidinareo hatao sorona amin’izany na omby na ondry na osy, ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.


Andro sy volana ary fizaràn-taona sy taona no tandremanareo fatratra.


Aza avela hisy olona hitsara anareo momba ny zava-pihinana sy ny zava-pisotro, na ny fombafomba fanao amin’ny fankalazana na amin’ny tsinambolana na amin’ny sabata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra