Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
Mpitsara 13:16 - DIEM PROTESTANTA Fa novalian’ilay anjely hoe: –Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona dorana manontolo ianao, dia atolory ho an’ny TOMPO izany. Fa mbola tsy fantatr’i Manôà ho anjelin’ny TOMPO izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny mofonao; fa raha hanolotra fanatitra dorana manontolo ianao, dia aoka NY TOMPO no hanoloranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’NY TOMPO Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa novalian’ilay anjely hoe: –Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona dorana manontolo ianao, dia atolory ho an’ny TOMPO izany. Fa mbola tsy fantatr’i Manôà ho anjelin’ny TOMPO izy, Baiboly Katolika Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Manôe: «Na dia tananao aza aho dia tsy hihinana amin’izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an’i Iaveh ianao, dia atero izany.» Tsy nahalala i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh io. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Ilay Anjelin’i Jehovah tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra odorana hianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’i Jehovah Izy. Malagasy Bible Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy. La Bible en Malgache Dia hoy ilay Anjelin’NY TOMPO tamin’i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ny mofonao; fa raha hanolotra fanatitra dorana manontolo ianao, dia aoka NY TOMPO no hanoloranao izany. Fa tsy fantatr’i Manoa ho Anjelin’NY TOMPO Izy. |
Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
Dia fantatr’i Manôà tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO izy; ary tsy niseho tamin’izy mivady intsony ilay anjely.
Fa namaly azy ny vavy hoe: –Raha te hamono antsika ny TOMPO, dia tsy ho nanaiky ny sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina natolotsika, ary tsy ho nampahita antsika ireny zavatra rehetra ireny na ho nampandre antsika akory torolalana toy ireny aninkeo ireny.
Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.
dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.