Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary hoy ilay Anjelin’Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin’irỳ harambato irỳ, ary araraho eo amboniny ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin’ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro.» Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary hoy Ilay Anjelin’Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin’ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary hoy ilay Anjelin’Andriamanitra* taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin’irỳ harambato irỳ, ary araraho eo amboniny ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:20
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.


Ary hoy i Manôà tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak’osy ho anao.


Fa novalian’ilay anjely hoe: –Na hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafo amboarinao; fa raha te hanao sorona dorana manontolo ianao, dia atolory ho an’ny TOMPO izany. Fa mbola tsy fantatr’i Manôà ho anjelin’ny TOMPO izy,


Dia naka zanak’osy sy fanatitra hohanina i Manôà ka napetrany teo ambony vatolampy mba hatolotra ny TOMPO Izay mpanao zavatra mahagaga. Raha mbola nijery teo i Manôà sy ny vadiny,


Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.


Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra