Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary naroson’ilay Anjelin’NY TOMPO ny lohan’ny tehina izay teny an-tanany ka notendreny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Dia lasa ilay Anjelin’NY TOMPO ka tsy hitan’ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary naroson’Ilay Anjelin’i Jehovah ny lohan’ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin’i Jehovah dia lasa niala teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary naroson’ilay Anjelin’NY TOMPO ny lohan’ny tehina izay teny an-tanany ka notendreny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Dia lasa ilay Anjelin’NY TOMPO ka tsy hitan’ny masony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady.


Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.


Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.


Dia novaliany hoe: «Izao no famantarana omen’ny TOMPO anao mba hahalalanao fa hotanterahiny tokoa izay nolazainy.


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Dia naka zanak’osy sy fanatitra hohanina i Manôà ka napetrany teo ambony vatolampy mba hatolotra ny TOMPO Izay mpanao zavatra mahagaga. Raha mbola nijery teo i Manôà sy ny vadiny,


dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.


Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra