Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: –Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’NY TOMPO ilay teo ka hoy izy: Andray, ry TOMPO Andriamanitra ô! Hay, nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nifanatrika aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: –Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’i Iaveh iny ka hoy i Jedeôna: «Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin’i Jehovah nifanatrika aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia hitan’i Gideona fa Anjelin’NY TOMPO ilay teo ka hoy izy: Andray, ry TOMPO Andriamanitra ô! Hay, nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nifanatrika aho!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.»


Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.


Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


I Isaià no nilaza izany, dia satria nahita mialoha ny voninahitra hananan’i Jesoa izy sy niteny momba Azy.


ka nitondra ny teninareo tamiko hoe: «Indro efa nampahitan’ny TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany izahay sady efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa tsapanay androany fa itenenan’Andriamanitra ny olona saingy mbola velona aina ihany.


Satria iza moa tamin’ny olombelona rehetra no efa nandre tahaka anay ny feon’ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anatin’ny afo, ka velona aina ihany?


Izaho kosa teo anelanelan’ny TOMPO sy ianareo tamin’izany andro izany mba hanambara aminareo ny tenin’ny TOMPO, satria natahotra teo am-pahitana ilay afo manko ianareo ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra. Fa hoy ny TOMPO hoe:


Hoy kosa ny TOMPO taminy; –Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra