Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin’ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin’ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin’ilay hazo terebinta ka natolony Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha*; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:19
9 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.


Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.


«Raha fanatitra voaendy amin’ny lafaoro no atolotrao, dia aoka ho mofo vita amin’ny lafarinina tsara indrindra sady voaharo menaka no tsy misy leviora, na kosa mofo manify sady tsy misy leviora no voahoso-menaka.


Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain’ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin’ny koba eran’ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.


dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.


Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao.


Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra