Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Masìna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny. Izaho hiandry mandra-piverinao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:18
6 Rohy Ifampitohizana  

Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.


Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.


Fa noteren’i Lôta fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.


Ary hoy i Manôà tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak’osy ho anao.


Dia namaly Azy i Gidehôna hoe: –Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko.


Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra