Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:20 - Baiboly Katolika

20 Hoy ny Anjelin’i Iaveh taminy: «Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin’ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro.» Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ary hoy ilay Anjelin’Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin’irỳ harambato irỳ, ary araraho eo amboniny ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary hoy ilay anjelin’Andriamanitra taminy: –Apetraho eo ambonin’ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon’i Gidehôna izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary hoy Ilay Anjelin’Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin’ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Ary hoy ilay Anjelin’Andriamanitra* taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin’irỳ harambato irỳ, ary araraho eo amboniny ny ron-kena. Dia nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:20
7 Rohy Ifampitohizana  

dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,


Dia hoy i Manôe tamin’ilay Anjelin’i Iaveh: «Aoka re mba hohazoninay ianao sy hanamboaranay zanak’osy.»


Ary hoy ny navalin’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Manôe: «Na dia tananao aza aho dia tsy hihinana amin’izay haninao, fa raha te-hanamboatra sorona dorana ho an’i Iaveh ianao, dia atero izany.» Tsy nahalala i Manôe fa ilay Anjelin’i Iaveh io.


Dia nalain’i Manôe ny zanak’osy sy ny fanatitra ka nateriny ho an’i Iaveh teo ambonin’ny vatolampy; ary nanao fahagagana i Iaveh raha mbola nijery teo i Manôe sy ny vadiny.


Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.


Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra