Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:26 - DIEM PROTESTANTA

26 dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Raha efa izany manorena ôtely eo an-tampon’ity fitoerana mimanda ity, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin’ny hazon’Aserah hokapainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 dia manorena alitara eto an-tampon’ity fiarovana ity ho an’i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra odorana amin’ny hazon’ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:26
8 Rohy Ifampitohizana  

Nankany amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay ka nanao taminy hoe: –Miakara any am-pamoloan’i Araonà izay Jebôsita ianao, ka manangana alitara ho an’ny TOMPO.


Hoy kosa i Araonà tamin’i Davida: –Alao izay sitrakao, ry andriamanjaka, mba hanateranao sorona ho an’Andriamanitra. Indreo ny omby ho sorona dorana manontolo, ary ny rambaramba sy ny zioga hatao kitay.


Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an’i Aserà.


satria Andriamanitra tsy mba loharanon’ny fikorontanana fa loharanon’ny fiadanana. Araka ny fanaon’ny Fiangonana rehetra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra,


Aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.


Tamin’io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an’i Gidehôna hoe: –Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany;


Dia nifidy folo lahy tamin’ireo mpanompony i Gidehôna mba hanao araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy. Saingy tamin’ny alina no nanatanterahany azy fa natahotra ny hanao azy tamin’ny antoandro izy noho ny amin’ny fianakaviany sy ny mponina tao an-tanàna.


Tonga tao an-tsahan’i Josoa, lehilahy avy ao Bèty-Semesy, ny Vatamasina ka nijanona teo akaikin’ny vato lehibe iray. Novakîna madinika ny hazon-tsarety, ary natao sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO ireo ombivavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra