Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Tamin’io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an’i Gidehôna hoe: –Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay eo anilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Tamin’io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an’i Gidehôna hoe: –Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran’i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary tamin’izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran’i Bala, izay an’ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala* izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* izay eo anilany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:25
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jakôba tamin’ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: –Ario avokoa ireo andriamani-kafa eo aminareo, ka midiova ary misoloa fitafiana.


dia nankeo amin’ny vahoaka rehetra i Elià ka nanao hoe: –Mandra-pahoviana no hampiroaroa saina anareo? Raha ny TOMPO no tena Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha i Bahala kosa no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Saingy tsy nisy namaly azy ny vahoaka;


Miverena am-panetren-tena amin’ilay Tsitoha, ampanalaviro ny lainao ny tsy fahamarinana.


Hiezaka hiroso amin’ny fahitsiana aho, ka rahoviana no hankatỳ amiko Ianao? Amin-kitsim-po no hiainako ao amin’ny lapam-panjakàko.


Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an’i Aserà.


Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.


–Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombàny ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.


Saingy hoy izy roa lahy taminy: –Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra;


Fa novalian’i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona.


Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanompo ireo Bahala andriamani-tsiizy.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà.


dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra