«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.
Marka 7:10 - DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Mosesy: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Mosesy: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Mosesy: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.» Baiboly Katolika Fa hoy i Môizy: ‹Manajà ny rainao sy ny reninao›; ary koa: ‹Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty.› Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Mosesy: ,,Manajà ny rainao sy ny reninao’’ (Eks. 20.12), ary koa: ,,Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa’’ (Eks. 21.17). Malagasy Bible Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). La Bible en Malgache Fa hoy Mosesy: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay manozona ny rainy sy ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17). |
«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.
Raha misy manozona ny rainy na ny reniny, dia ho toy ny jiro maty ao anaty haizim-pito ny fiainany.
Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin’ny voromahery ny tenany.
«Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny, dia hatao maty tokoa; hozakain’io olona io ny ho faty, noho izy efa nanozona ny rainy na ny reniny.
Fa hoy Andriamanitra hoe: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa hoe: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty.»
Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»
«Ho voaozona anie izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»
«Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin’ny tany omeko anao.