Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 10:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fantatrao ny didy hoe: ,,Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga,’’ Aza manambaka, „Manajà ny rainao sy ny reninao” (Eks. 20.12–17).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona mandainga, aza manambaka olona, manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12-17).

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 10:19
16 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany.


Fantatrao ny didy hoe: «Aza maka vadin’olona; aza mamono olona; aza mangalatra; aza manao vavolombelona tsy marina; hajao ny rainao sy ny reninao!»


Satria ny hoe «aza maka vadin’olona, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra», mbamin’ny didy hafa rehetra, dia samy efa voafintina amin’ilay teny manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.»


Koa tsy misy olombelona hoeken’Andriamanitra ho marina, noho izy manatanteraka ny lalàna; fa ny lalàna dia miasa hahafantaran’ny olombelona mazava hoe nanota izy.


Hono ho’aho, ianareo izay te hofehezin’ny lalàna, tsy renareo ve izay ambaran’ny lalàna?


Satria ny lalàna manontolo dia tanteraka amin’ny didy tokana hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!»


ka amin’izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin’ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin’ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.


Eny, ilay Andriamanitra nanao hoe: «Aza maka vadin’olona», no nanao koa hoe: «Aza mamono olona.» Ka raha tàhiny tsy maka vadin’olona ianao, nefa mamono olona, dia mpandika ny lalàna ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra