Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 15:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa hoy Andriamanitra hoe: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa hoe: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa Andriamanitra efa niteny hoe: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa hoy Andriamanitra hoe: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa hoe: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Fa hoy Andriamanitra: Manajà ny rainao aman-dreninao; ary koa Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: „Manajà ny rainao sy ny reninao” (Eks. 20.12), ary koa: „Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa” (Eks. 21.17).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa Andriamanitra efa niteny hoe: «Manajà ny rainao sy ny reninao» (Eks 20.12), ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty tokoa» (Eks 21.17).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 15:4
18 Rohy Ifampitohizana  

«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.


«Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.


Raha misy manozona ny rainy na ny reniny, dia ho toy ny jiro maty ao anaty haizim-pito ny fiainany.


Mihainoa ny rainao izay niteraka anao; ary aza manamavo ny reninao efa antitra.


Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin’ny voromahery ny tenany.


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


«Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny, dia hatao maty tokoa; hozakain’io olona io ny ho faty, noho izy efa nanozona ny rainy na ny reniny.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra mba hifikiranareo amin’ny fomba amam-panaonareo?


Ianareo kosa manao hoe: «Na iza na iza hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao,


hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao!


Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»


Moa ve manafoana ny lalàna amin’ny alalan’ny finoana isika amin’izany? Sanatria! Vao mainka koa aza manamafy orina ny lalàna!


Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany.


«Ho voaozona anie izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»


«Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin’ny tany omeko anao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra