Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 20:9 - DIEM PROTESTANTA

9 «Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny, dia hatao maty tokoa; hozakain’io olona io ny ho faty, noho izy efa nanozona ny rainy na ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty; efa nanozona ny rainy na ny reniny izy, koa ny rany dia ho aminy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 «Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny, dia hatao maty tokoa; hozakain’io olona io ny ho faty, noho izy efa nanozona ny rainy na ny reniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Na zovy na zovy manozona ny rainy na ny reniny, dia hohelohin-ko faty; fa efa nanozona an-drainy na an-dreniny izy, ka dia aminy ny rany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny rany dia ho aminy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 20:9
17 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida taminy: –Nandrora mitsilany ianao izao ka nahavoa tena. Ny vavanao ihany no nanameloka anao ho faty raha nanao hoe: «Izaho no namono ho faty ny mpanjaka voafidin’ny TOMPO.»


Hataon’ny TOMPO manody an’i Jôaba anie izany, satria olona roa tsy manan-tsiny akory sady tsara fanahy noho izy no nasiany tamin’ny sabatra ka maty, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sady filohan-tafik’i Israely sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera sady filohan-tafik’i Joda, nefa i Davida raiko tsy mba nahafantatra izany.


«Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.


Raha misy manozona ny rainy na ny reniny, dia ho toy ny jiro maty ao anaty haizim-pito ny fiainany.


Misy karazan’olona izay manozona ny rainy ary tsy mba mirary soa ho an-dreniny.


Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin’ny voromahery ny tenany.


mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony. Moa tokony ho velona ve io zanany lahy io? Tsia! Nanao ireo zava-dratsy rehetra maharikoriko ireo izy, ka ho faty tokoa ary ho tompon’andraikitry ny fahafatesany.


Ao aminao dia tsy hajaina ny ray sy reny, tsentsefina ny vahiny, ampahorina ny kamboty sy ny mpitondratena,


Raha misy vehivavy mety hiray amin’ny biby, dia samy hovonoina na ravehivavy na ilay biby; hatao maty tokoa izy roroa ka hozakainy ny ho faty.


«Izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na tsindrian-javatra tompoina, dia samy hatao maty tokoa ka torabato no hamonoana azy. Hozakain’izy ireo ny ho faty.»


Fa hoy Andriamanitra hoe: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa hoe: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia aoka hovonoin-ko faty.»


Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!


Fa hoy i Mosesy: «Hajao ny rainao sy ny reninao», ary koa: «Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.»


«Ho voaozona anie izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny!» Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: «Amen!»


Raha misy olona mivoaka ho any ivelan’ny trano, dia izy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany fa tsy izahay. Ireo rehetra miaraka aminao ao an-tranonao kosa, raha misy olona mamely azy, dia izahay no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.


Izany no ho valin’ny herisetra nataon’i Abimelèka tamin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala sy ho todin’ny ran’ny rahalahiny izay novonoiny, sady hamaliana ireo mponin’i Sekema izay niara-nitsikombakomba taminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra