Nifandringana ny firenena sy ny tanàna, satria Andriamanitra efa nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana isan-karazany.
Marka 13:8 - DIEM PROTESTANTA Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana. Baiboly Katolika Fa hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin’ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ny fahoriana. Malagasy Bible Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana. La Bible en Malgache Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana. |
Nifandringana ny firenena sy ny tanàna, satria Andriamanitra efa nampangorohoro azy tamin’ny fahoriana isan-karazany.
Hoy ny Tompo hoe: «Hampirisihiko hifandramatra ny samy Ejiptianina, ka hiady ny mpianakavy. Samy hiady amin’ny namany avy ny olona; ny tanàna hiady amin’ny tanàna ary ny fanjakana hiady amin’ny fanjakana.
no hiavian’ny famaliana hamonjena anao avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Izay hombàn’ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany ary firohondrohona mafy, hombàn’ny tadio sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona.
hanao aminy hoe: «Izao no lazain’i Hezekià: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baràka ho antsika ity andro ity! Tonga amin’ny fitenenana hoe: ‹Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.›
Ary inona no havalinao raha izay nozarinao ho namanao no nivadika hamely sy hanapaka anao? Ho tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy miteraka ianao.
Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro miainga ao amin’ny firenena iray ny loza ka mihanaka any amin’ny firenena hafa; misy tafio-drivotra mahery mipoitra avy any am-paran’ny tany.»
Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»
Efa ketraka ny olon’i Damasy ka nihodina mba handositra; satria tora-kovitra ireo sady mangitakitaka sy mitaintaina toy ny vehivavy raha miteraka.
Ren’ny mpanjakan’i Babilôna izany vaovao izany, ka miraviravy tanana izy sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.
Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.
Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.
Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy.
Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra fa tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no ho farany.
Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.
Isan’ireo i Hagabo izay notsilovin’ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran’ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin’ny andron’i Klaody amperôra).
Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.
Dia soavaly mena kosa no nipoitra; ary ilay nitaingina azy dia nomena sabatra lehibe ary navela hanaisotra ny fihavanana hiala amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona.