Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 13:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ary inona no havalinao raha izay nozarinao ho namanao no nivadika hamely sy hanapaka anao? Ho tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy miteraka ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ahoana re no holazainao raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, nefa ianao izao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny an’ny vehivavy miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary inona no havalinao raha izay nozarinao ho namanao no nivadika hamely sy hanapaka anao? Ho tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy miteraka ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, Fa hianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ahoana re no holazainao raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, nefa ianao izao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny an’ny vehivavy miteraka?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 13:21
17 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria hilaza hoe: «Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin’ny mpanjakan’i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.»


Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny.


Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.


«Atsaharo ny hazakazakao, ry Israely, fandrao haradratra ny tongotrao tsy mikapa ary koa ho maina ny tendanao.» Nefa hoy ny navalinao hoe: «Tsy mampiraika ahy izany, fa tiako ny andriamani-kafa ka tsy maintsy miaraka aminy aho.»


Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!


Anontanio ka jereo raha misy lehilahy mihetsi-jaza. Ahoana àry Aho no mahita ny lehilahy rehetra mitan-kibo toy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?


Ny vehivavy rehetra izay tafajanona ao an-dapan’ny mpanjaka dia hoentina eo amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao izao hira izao ny aminao hoe: Nangolen’ireo sakaiza tianao ianao ka roboka! Fa nony tafalatsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nandositra ianao!


Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema? Na miakanjo marevaka aza ianao sy miravaka volamena sady manao manja maso, dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao. Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao, sady tadiaviny hovonoina ho faty.


Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»


Azon’ny fahavalo ireo tanàna, azony ny toera-mimanda. Ary amin’izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.


maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.


Mbola sahy hihambo ho andriamanitra ve ianao eo anatrehan’izay hamono hahafaty anao? Olombelona ihany ianao fa tsy andriamanitra, rehefa mby eo an-tanan’izay hamono hahafaty anao!


Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.


Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra