Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 13:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Atopazo ny masonao, ry Jerosalema, ka jereo: tonga avy any avaratra ny fahavalonao! Inona àry no hanjo ny vahoaka izay nankiniko taminao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Atopazy ny masonareo ka tazano izay avy any avaratra; aiza ny andian’ondry izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Atopazo ny masonao, ry Jerosalema, ka jereo: tonga avy any avaratra ny fahavalonao! Inona àry no hanjo ny vahoaka izay nankiniko taminao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Atopazo ny masonao, ka jereo irerỳ avy avaratra: Nankaiza ny andian’ondry nomena anao, dia ireo ondry voninahitrareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Atopazy ny masonareo, Ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, Dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 13:20
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny hamaroam-bahoaka no voninahitry ny mpanjaka; fa ny havitsiany kosa no fietreny.


Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko: –Avy any avaratra tokoa no hipoitra ny loza hamelezana ny mponina rehetra eto amin’ny tany.


Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda.


Injany misy feon-javatra mirohondrohona sy mihamanatona, dia fanakorontanana goavana avy any amin’ny tany avaratra any, mba hahatonga ny tanànan’i Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.


Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Nirehitra ny hatezeran’ny TOMPO dia gina ilay kijana niadanana.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro misy vahoaka tonga avy any amin’ny tany avaratra, dia firenen-dehibe iray miainga avy any am-paran’ny tany.


Fa indro antsoiko ny Babilônianina, dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra; mitety faritra midadasika ireo hakàny ny tanin’ny sasany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra