Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Fa efa nandre feo tahaka ny an’ny vehivavy eo am-piterahana aho sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny voalohan-janany, dia ny feon’i Ziona zanakavavy izay misefosefo sy mamelatra ny tanany no sady miteny hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ireo mpamono olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka Sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, Dia ny feon’i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany Ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ireo mpamono olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:31
35 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!


Koa satria maharikoriko ahy ny fiainana, dia tsy hitana ela intsony ny fitarainako aho fa tezitra anaty ka voatery hiteny.


Dirandoza aho fa vahinin’olon-dia, niantrano tany amin’ny baribarianina!


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny.


Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.


Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka ka miolanolana sy mitaraina mafy, dia toy izany izahay teo anatrehanao, TOMPO ô.


Efa hatry ny ela Aho no nangina, ka tsy nanao na inona na inona, hoy ny TOMPO. Fa izao kosa Aho mitaraina toy ny vehivavy miteraka izay sempotsempotra sady tsy avy miaina.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Hoy kosa i Jerosalema hoe: «Indrisy ity fahavoazako e! Lalina ny ratra mahazo ahy. Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho, ka dia hozakaiko ihany.


Ary inona no havalinao raha izay nozarinao ho namanao no nivadika hamely sy hanapaka anao? Ho tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy miteraka ianao.


Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona.


Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.


Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.


Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!


Anontanio ka jereo raha misy lehilahy mihetsi-jaza. Ahoana àry Aho no mahita ny lehilahy rehetra mitan-kibo toy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?


–Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely momba anao, ry Baròka.


Azon’ny fahavalo ireo tanàna, azony ny toera-mimanda. Ary amin’izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.


Indro toa voromahery hipaoka no manidina sy misodisody eo ambonin’i Bôtserà. Amin’izany andro izany dia hangitakitaka toy ny vehivavy miteraka na dia ny lehilahy mahery fo aza.


Efa ketraka ny olon’i Damasy ka nihodina mba handositra; satria tora-kovitra ireo sady mangitakitaka sy mitaintaina toy ny vehivavy raha miteraka.


Ren’ny mpanjakan’i Babilôna izany vaovao izany, ka miraviravy tanana izy sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.


Indro rava ianao ry Tsiôna, tanàna tsara tarehy sy miaingitraingitra!


Mananty tanana miangavy i Tsiôna, nefa tsy misy mampionona azy. Nobaikoin’ny TOMPO ireo firenena manodidina ho fahavalon’ny taranak’i Jakôba; i Jerosalema, eo afovoan’ireo, dia tonga fako maharikoriko.


TOMPO ô, jereo fa azom-pahoriana aho, ka mandevilevy fiontanana. Mihendratrendratra ato anatiko ny foko, satria nikomy taminao tokoa aho. Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako; ato an-trano, toa hoatry ny any amin’ny maty.


Na antitra na tanora dia maty mitsitsitra eny an-dalambe. Ny tovolahiko sy ny tovovaviko dia samy matin’ny sabatra. Novonoinao tamin’ny androm-pahatezeranao izy, naringanao tsy nisy fiantrana.


Tahaka ny an’ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.


–Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina toy ny vehivavy miteraka, ry mponina ao Tsiôna! Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanàna ianareo ka hitoby any an-tsaha ary handeha hatrany Babilôna. Any no hanafahana anareo; any no hanavotan’ny TOMPO anareo avy eo am-pelatanan’ny fahavalonareo.


Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin’i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?


Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!


«Izao lazaina amin’ny mponina ao Tsiôna: Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy dia boriky vavy ombàn-janany, zanaky ny mitondra zioga.»


Tsy hoe ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly no ireharehako; adidy napetraka amiko izany ka lozako raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho.


Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra