Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 13:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa mitandrema ianareo; fa hatolotra amin’ny Sinedriona sy hokapohina any amin’ny sinagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 «Tandremo koa ny amin’ny tenanareo, fa hotorìna amin’ny mpitsara ianareo, sy hokapohina ao amin’ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny Amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa mitandrema hianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko hianareo ho vavolombelona aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Fa mitandrema ianareo; fa hatolotra amin’ny Sinedriona* sy hokapohina any amin’ny sinagoga* ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny Amiko ianareo, ho vavolombelona aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 13:9
37 Rohy Ifampitohizana  

Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Ka hoy i Jesoa taminy: –Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.


Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.


Ary izay toerana tsy handraisan’ny olona anareo na tsy hihainoany anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.


Izay rehetra tsy mandray anareo dia ialao ny tanànany; ka ny vovoka avy amin’ny tongotrareo ahintsano ho fiampangana azy.


Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: «Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony.» Raha nanenjika Ahy ry zareo, dia hanenjika anareo koa; raha nitandrina ny teniko izy ireo, dia hitandrina ny teninareo koa.


Handroaka anareo hiala amin’ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran’izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin’Andriamanitra.


Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe: –Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.


Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna.


Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.


Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an’i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy:


Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr’izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakàn’Andriamanitra ianareo, sady io Fanjakàn’Andriamanitra io no anton’ny iaretanareo fijaliana.


Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno.


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.


Fantatro izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran’ny sezafiandrianan’i Satàna. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy mandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ity toerana onenan’i Satàna ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra