Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:23 - DIEM PROTESTANTA

Koa mitandrema, fa efa voalazako mialoha taminareo ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa mitandrema, fa efa voalazako mialoha taminareo ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa mitandrema ianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa mitandrema kosa hianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko



Marka 13:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Izay àry, fa efa voalazako mialoha taminareo izany.


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


–Fa amin’ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana,


Mitandrema sy miareta tory ary mivavaha fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’izany fotoanandro izany.


Ka hoy i Jesoa taminy: –Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.


Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.


–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,


Dia novaliany hoe: –Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia», ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an’ireny.


Niteny taminareo sahady Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany.


Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo.