Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 7:15 - DIEM PROTESTANTA

15 –Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 –Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:15
54 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: –Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: «Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.» Kanjo nandainga taminy izy.


dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely ny amin’i Ahaba zanakalahin’i Kôlaià sy ny amin’i Tsidekià, zanakalahin’i Mahaseià: Na dia mihambo haminany amin’ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo.


dia Izaho TOMPO no manamafy fa hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Semahià sy ny taranany Aho: Tsy hisy na iray aza amin’ny fianakaviany ho tafajanona eo anivonareo mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako; satria nanosika anareo vahoakako hikomy amiko TOMPO izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »


dia ireo mpaminany israelita izay maminany ny hoavin’i Jerosalema sy manam-pahitana manambara fiadanana ho azy nefa tsy misy fiadanana akory. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »


Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.


Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan’ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondratena.


Lian-dra tahaka ny amboadia mamiravira haza ireo mpitondra ny vahoaka, ka mamono olona ho faty mba hangoronan-karena tsy an-drariny.


Ary mandritra ireny fanenjehana ireny dia fanampiana kely monja no ho azon’ireto ampahorina, satria maro ny olona hiandany aminy noho ny fihatsarambelatsihy ihany.


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby,


Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin’ny sinagôgany;


Ka ahoana no tsy ahatakaranareo fa tsy mofo no tiako hambara, fony Izaho nilaza taminareo hoe: «Mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina»?


ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.


Betsaka ireo mpisandoka ho mpaminany no hijoro, ka hamitaka olona maro.


tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!


Mampalahelo ianareo raha ataon’ny olona tsara laza. Fa toy izany indrindra no nataon’ny razan-dry zareo tamin’ny mpaminany sandoka!


Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon’ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy.


Koa mitandrema mba tsy hiharan’izay voalazan’ny Tompo ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe:


Namakivaky ny nosy manontolo izy roa lahy mandra-pahatongany tany Pafo. Tao no nahitany mpanao majika atao hoe Barjesoa, lehilahy nihambo ho mpaminany.


na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin’i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.


Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.


Aza mety hofitahina amin’izay teny foana ianareo; fa ny zavatra toy izany indrindra no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ireo olona tsy manaiky Azy.


Tandremo ny tenanareo amin’ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin’ireo manan-takaitra!


Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy;


Fa ny olona ratsy fanahy sy mpanoloky dia vao mainka hiharatsy hatrany, sady mamitaka no voafitaka.


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo.


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.


Ary nisy fanahy maloto anankitelo, tahaka ny sahona, hitako nivoaka avy tany am-bavan’ny dràgona sy avy tany am-bavan’ilay biby ary avy tany am-bavan’ilay mpaminany sandoka.


Hitako ravehivavy fa boboky ny ran’ireo vahoakan’Andriamanitra, boboky ny ran’ireo vavolombelona nanambara an’i Jesoa ka novonoina ho faty noho izany. Gaga dia gaga tokoa aho nahita an-dravehivavy;


Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan’ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny; ary natsipy velona ho any amin’ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.


Ny devoly izay namitaka azy ireo dia natsipy tany amin’ny farihy afo aman-tsolifara, izay efa nanipazana ilay biby sy ilay mpaminany sandoka; ary hampijalîna andro aman’alina mandrakizay mandrakizay izy telo ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra