Marka 13:22 - DIEM PROTESTANTA22 Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201122 Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azony atao izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara22 Fa olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany no hijoro, ka hanao famantarana sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika22 fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache22 Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azony atao izany. Jereo ny toko |
Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.
Ny biby izay hitanao dia nanan-kery taloha, fa tsy manana intsony izao, ary efa hiakatra avy any amin’ny hantsambe mba hizotra ho amin’ny fandringanana. Dia ho gaga ny mponina ambonin’ny tany raha mahita ilay biby: satria nanan-kery izy io taloha, fa tsy manana intsony izao, nefa mbola hanan-kery indray. Ho gaga ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; io horonamboky io dia nisy hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao.