Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Petera 3:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;

Jereo ny toko dika mitovy




2Petera 3:17
26 Rohy Ifampitohizana  

Tsy misy vokany ny famelaram-pandrika, raha toa ka hitan’ny voromanidina izany.


Ka ahoana no tsy ahatakaranareo fa tsy mofo no tiako hambara, fony Izaho nilaza taminareo hoe: «Mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina»?


ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Eny, ireo zavatra ireo no voalazako taminareo, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ilay andro hanaovan-dry zareo izany, fa niteny taminareo Aho. –Ireo zavatra ireo dia tsy noteneniko taminareo hatramin’ny voalohany, satria mbola niaraka taminareo Aho;


Nazoto izy ireo nihaino ny fampianaran’ny apôstôly sy niombom-piainana toy ny mpiray tampo ary niara-nanao ny fiaraha-misakafo sy namonjy ny fivavahana.


Satria tsy i Kristy Tompontsika no tompoin’ny toy ireny, fa izay danin’ny kibony, ary teny malefaka sy tsara lahatra no amitahany an’ireo tso-po.


Koa amin’izany, izay manao ny tenany ho mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina sao lavo.


Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.


Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin’i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an’i Eva tamin’ny lainga tsara lahatra nataon’ny bibilava.


Tafasaraka amin’i Kristy ianareo miezaka ho marina eo imason’Andriamanitra amin’ny fanoavana ny lalàna; miendaka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo.


Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.


Tandremo ny tenanareo amin’ireo mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin’ireo amboa, tandremo ny tenanareo amin’ireo manan-takaitra!


Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.


Mitandrema fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny fahendren’olombelona sy ny famitahana foana: ny fampianarana ampitain’olombelona sy ny herin-javatr’izao tontolo izao no iorenan’izany fa tsy i Kristy;


Mitandrema koa ianao aminy, fa notoheriny mafy tokoa ny teninay.


Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.


Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’izao tontolo izao.


Nafahan’Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon’ny olona tsy miraharaha lalàna;


Ry hava-malala, ity izao no taratasy faharoa soratako ho anareo.


Koa tsarovy izay nitoeranao fony mbola tsy lavo, dia ialao ny toe-dratsinao, ka ataovy indray ny asanao tany am-boalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanaisotra ny fitoeranjironao amin’izay misy azy, raha toa tsy ialanao ny toe-dratsinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra