Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 12:6 - DIEM PROTESTANTA

Olona iray sisa teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka hoe: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary mbola nanana iray izy, dia ny zanany lahy malalany, koa nony farany dia naniraka azy hankany amin’ireo izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Olona iray sisa teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka hoe: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy: ‹Hanaja ny zanako izy›.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanani-lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary mbola nanana iray izy, dia ny zanany lahy malalany, koa nony farany dia naniraka azy hankany amin’ireo izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.

Jereo ny toko



Marka 12:6
32 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.


Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.


Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.


Dia namaly izahay hoe: «Mbola manan-dray efa antitra izahay ary koa ny zandrinay faralahy izay zanaky ny fahanterany. Tian-drainay fatratra izy, satria izy sisa no hany navelan’ny reniny fa ny rahalahiny dia efa maty.»


–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan’ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Fa nangina i Jesoa. Dia hoy ny mpisorombe taminy: –Mandidy Anao aho, amin’ny anaran’ilay Andriamanitra velona, mba hilaza aminay raha Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra.


Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!


Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.


Dia mbola nanirahany iray hafa indray; fa io kosa novonoiny ho faty. Ary nisy mpiasa maro hafa koa nirahiny, fa ny sasany nokapohin-dry zareo, ary ny sasany novonoiny ho faty.


Saingy nifampiresaka ireo mpamboly nanao hoe: «Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina, dia ho antsika ny lova.»


Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!


Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!


Ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay voafidiko; henoy Izy.


Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ary efa nametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanany.


mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan’ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy.


Rehefa nampiditra ny Zanany lahimatoa ho eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra, dia niteny hoe: «Aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany!»


Izao no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika: nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahavelona antsika amin’ny alalany.


Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.