Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 3:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary injao nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 3:17
18 Rohy Ifampitohizana  

–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan’ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Fa sitraky ny TOMPO ho fandresen’ny fahamarinany ny haneho fa lehibe sy heni-boninahitra ny lalànany,


Dia hanolotra ireo ny mpisorona; ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovan’ny mpisorona ho an-dralehilahy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany.


«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, ilay Malalako Izay sitrako. Ny Fanahiko hapetrako eo aminy, ka hambaran’ny Mpanompoko amin’ireo firenena ny rariny.


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.


Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!


Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!


Ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay voafidiko; henoy Izy.


Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon’Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo.


ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo,


Hiderantsika an’Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’ilay Zanany malalany.


fa nanala antsika tamin’ny fahefàn’ny haizina Izy, ka namindra antsika ho ao amin’ny Fanjakan’ny Zanany malalany,


Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.»


Raisintsika ny zavatra ambaran’ny olona; ary lehibe noho izany ny zavatra ambaran’Andriamanitra, satria ny zavatra ambaran’Andriamanitra dia izay efa nambarany momba ny Zanany.


Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, dia feo mireondreona tahaka ny akon’ny rian-drano sy ny kotro-baratra mafy. Ny feo izay reko dia tahaka ny mozikan’ireo mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra