Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Tamin’izay dia nisy rahona nanarona azy rehetra, ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; henoy Izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy ireo. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:7
41 Rohy Ifampitohizana  

–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan’ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.


Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy; rariny sy hitsiny no iorenan’ny fanjakany.


Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin’ny andro fahafito dia niantso an’i Mosesy tao afovoan’io rahona io Andriamanitra.


Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;


«Dia mbola nijery ny fahitana azoko tamin’ny alina ihany aho, ka indro nisy tahaka ny zanak’olona tonga teny amin’ny rahon’ny lanitra; ary nankeo amin’ilay Antidahy izy sady nampanakaikezina azy.


Andriamanitra no itokiany; koa ankehitriny, raha tia Azy Andriamanitra, dia aoka hanafaka Azy, fa hoy Izy manko hoe: «Zanak’Andriamanitra Aho.»


Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an’i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe: –Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!


Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!


Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako.


Fa tsy hitan’i Petera izay holazaina satria samy raiki-tahotra ireto mpianatra telo lahy.


Ary niaraka tamin’izay ireo mpianatra telo lahy dia nanopy maso manodidina, ka tsy nahita olona intsony teo aminy afa-tsy i Jesoa irery ihany.


Dia nidina teo ambonin’i Jesoa ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala; sady nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ianao no Zanako, ilay Malalako; Ianao no sitrako!


Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao! Tamin’izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray.


Ny Jiosy kosa namaly azy hoe: –Manana lalàna izahay, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra!


Fa voasoratra ireo famantarana ireo mba hinoanareo fa i Jesoa no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra, ary mba hahavelona aina anareo amin’ny alalany, raha mino Azy ianareo.


Noho izany teny izany dia vao mainka nitady hamono Azy ny manampahefana jiosy; satria tsy vitan’ny hoe nandika ny fepetra momba ny sabata fotsiny i Jesoa, fa nilaza koa hoe Andriamanitra no Rainy, ka dia nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin’ny manampahefana jiosy hoe:


ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo,


sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra!


Ren’i Jesoa fa voaroaka hiala amin’ny sinagôga ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe: –Mino ny Zanak’olona ve ianao?


Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason’izy ireo; ary nisy rahona nanakona an’i Jesoa ka tonga tsy hitan’izy ireo intsony Izy.


I Mosesy ihany koa no nilaza tamin’ny Israelita hoe: «Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron’Andriamanitra ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo!»


Nizotra ny dian’izy roa lahy, ary mby teo amin’ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa: –Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa? [


araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak’Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin’ny maty.


Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika.


Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.»


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin’ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, izany tokoa!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra