Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 1:23 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay indrindra, tao amin’ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izay indrindra dia nisy olona iray teo amin’ny sinagogany, izay azon’ny fanahy maloto; ary niantso mafy Ralehilahy

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay indrindra, tao amin’ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon’ny fanahy maloto

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary tao amin’ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niaraka tamin’izay dia nisy olona teo amin’ny synagogany, izay azon’ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izay indrindra dia nisy olona iray teo amin’ny sinagogany, izay azon’ny fanahy maloto; ary niantso mafy Ralehilahy

Jereo ny toko



Marka 1:23
10 Rohy Ifampitohizana  

–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita.


Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna.


ka niantsoantso mafy hoe: –Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin’Andriamanitra e!


Vantany vao nivoaka ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry i Simôna sy i Andrea; niaraka taminy koa i Jakôba sy i Jôhany.


Olona maro ianjadian’ny aretina isan-karazany no sitran’i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.


Dia lasa i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin’ny sinagôgan-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony.


Raha vao niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nisy lehilahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, tonga nitsena Azy. Azon’ny fanahy maloto ralehilahy,


Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.


Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!