Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 1:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Olona maro ianjadian’ny aretina isan-karazany no sitran’i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary nanasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy sady nandroaka demonia maro; tsy navelany hiteny ny demonia satria nahafantatra Azy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Olona maro ianjadian’ny aretina isan-karazany no sitran’i Jesoa, ary demony maro no voaroakany; tsy navelany hiteniteny kosa ireo demony ireo, satria nahalala Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahalala Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary nanasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy sady nandroaka demonia* maro; tsy navelany hiteny ny demonia satria nahafantatra Azy ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 1:34
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.


Fa i Jesoa niteny mafy azy ireo hoe: –Aza manao izay hahafantarana Ahy!


Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra