Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Mandidy anao Aho: Mialà aminy ka aza miditra ao anatiny intsony!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Dia sady ninananàna ny demony no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy, ka efa toy ny maty ilay zazalahy, ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary nony hitan’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Mandidy anao Aho: Mialà aminy ka aza miditra ao anatiny intsony!

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:25
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Satàna: –Hanery anao hangina anie ny TOMPO; eny, hanery anao hangina anie ny TOMPO Izay efa nifidy an’i Jerosalema! Fa tsy toy ny forohana nalaina tamin’ny afo va i Josoa?


Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita.


Dia notenenin’i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin’ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin’io ora io.


Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.


Avy hatrany ilay rain’ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe: –Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.


Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty.


Sendra nandroaka demony mampahamoana tamin’izay i Jesoa. Nony tafavoaka ilay demony, dia niteny ilay moana ka talanjona ny vahoaka.


Notenenin’i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe: –Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io! Dia nandavo an-dralehilahy tamin’ny tany teo afovoan’ny vahoaka ny demony vao niala taminy, nefa tsy nandratra azy.


Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.


I Jesoa manko efa nandidy ny fanahy maloto hiala tamin-dralehilahy. Efa imbetsaka io fanahy maloto io no namely azy; fatorana gadra tongotra aman-tanana izy no ambenana, kanefa manapaka fatorana ihany ary entin’ny demony miriorio any an-taniefitra.


Iny nanatona iny ilay zaza, dia nazeran’ny demony ary nataony mifanintontsintona izaitsizy; fa notenenin’i Jesoa mafy ny fanahy maloto ka sitrana ilay zaza, ary natolony an-drainy.


Andro maromaro no nanaovan-drazazavavy toy izany. Tofoka i Paoly nony ela ka nitodika azy ary niteny tamin’ny fanahy Pitôna hoe: –Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy aho, mialà aminy! Dia niala taminy teo no ho eo ilay fanahy.


Kanefa na i Mikaela arkanjely aza, raha niady tamin’ny devoly ka nifanditra momba ny fatin’i Mosesy, dia tsy sahy nanevateva nanameloka ny devoly fa nanao taminy hoe: «Aoka hofaizin’ny Tompo ianao!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra