Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia niala taminy. Ary efa toy ny maty ilay zazalahy ka nolazain’ny maro hoe maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon’ny maro hoe maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy, dia nareniny, ka nitsangana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ny maro hoe: Maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia niala taminy. Ary efa toy ny maty ilay zazalahy ka nolazain’ny maro hoe maty.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:26
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa hatramin’ny nankanesako tany amin’ny Farao niteny tamin’ny anaranao no nahatonga izao loza izao tamin’ny Israelita, ary ianao dia tsy mamonjy ny vahoakanao akory!


Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!


Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.


Ary na aiza na aiza ahazoany azy, dia alavony amin’ny tany ilay zaza ary ataony mandoa vory sy mikitro-nify dia mihinjitra eo. Niangaviako ny mpianatrao handroaka ilay fanahy, kanefa tsy vitany.


Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an’i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin’ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.


Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!


Fa noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.


Noho izany, mifalia, ry lanitra sy ianareo monina ao aminy. Mampalahelo ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa nidina any aminareo ny devoly sady misafoaka mafy, satria fantany fa kely sisa ny androny!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra