Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 12:43 - DIEM PROTESTANTA

43 –Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, nefa tsy mahita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 –Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Rehefa nivoaka avy amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha eny amin’ny tanety maina hitady fialan-tsasatra; fa tsy mahita izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 12:43
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody teny aho.


Dia hoy ny Tompo tamin’i Satàna: –Avy taiza moa ianao? Dia namaly ny Tompo izy hoe: –Avy nitetitety ny tany sy nihaodihaody tany aho.


Salamo nataon’i Davida, fony izy tany an-taniefitr’i Joda .


Hampiboiboika renirano eny amin’ny havoana mangadihady Aho ary koa loharano eny an-dohasaha, ka hanova ny taniefitra ho farihy ary ny tany karakaina ho mpamoaka rano.


Amin’izay dia hoy izy hoe: «Hody any amin’ny tranoko izay nialako ihany aho.» Miverina izy ary mahita ny tranony teo aloha foana sy voafafa ary voalamina.


Dia indreo izy roa lahy niantsoantso hoe: –Fa ataonao inona izahay, ry Zanak’Andriamanitra? Tonga eto ve Ianao mba hampijaly anay alohan’ny fotoanandro?


Ny tenan’i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an’i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra