Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»
Josoa 5:14 - DIEM PROTESTANTA Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Izy: Tsia, fa Izaho dia mpitarika ny miaramilan’NY TOMPO ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko? Baiboly Katolika «Tsia», hoy ny navaliny, «fa filohan’ny tafik’i Iaveh no tonga eto ankehitriny aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin’ny miaramilan’i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny.Dia niankohoka tamin’ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy? Malagasy Bible Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ? La Bible en Malgache Dia hoy Izy: Tsia, fa Izaho dia mpitarika ny miaramilan’NY TOMPO ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: Inona no holazainao amin’ny mpanomponao, Tompokolahy? |
Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»
Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban’olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô?
Koa inona indray no mbola holazaiko aminao? Fa Ianao, ry Tompo ANDRIAMANITRA ô, mahalala ahy mpanomponao.
Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»
–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? –Ilay TOMPOn’izao rehetra izao, Izy no mpanjaka be voninahitra! Fiatoana
Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin’izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.
Indro izy fa nataoko vavolombelon’ny fahefàko eo amin’ny foko isan-tokony sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.
Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe: –Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay? Dia namaly aho hoe: –Inty aho, iraho aho.
Dia nitsangana aho, ka nandeha nankany an-dohasaha. Ary indro ny voninahitry ny TOMPO niseho tao tahaka ilay efa nahitako azy teo amoron’ny ony Kebara, koa nikarapoka nihohoka aho.
Fa ny anjely mpiaro ny fanjakan’i Persia dia nanohitra ahy nandritra ny 21 andro; nefa indro i Mikaela, anankiray amin’ireo anjely lohalaharana indrindra, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho sisa tafajanona teo anilan’ireo mpanjakan’i Persia.
«Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky.
Ary nitatra nihantsy hatramin’ilay Filohan’izany tafika izany aza izy, ka nanafoana ny sorona fanao isan’andro aminy sady nanimbazimba ny fiorenan’ny Toeramasiny.
nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.
Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?
Tamin’izay dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’i Balahama hahita ilay anjelin’ny TOMPO izay nijanona teo amin’ny lalana sady mitana sabatra. Dia niondrika i Balahama ka niankohoka tamin’ny tany.
«Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»
Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: –Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!
Ny tenan’i Davida manko no milaza ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako;
Indray andro, raha tao amin’ny tanàna anankiray i Jesoa, dia indro nisy lehilahy voan’ny aretin-koditra ny tenany manontolo. Nahatazana an’i Jesoa ralehilahy ka niankohoka teo anatrehany sy nitalaho taminy hoe: –Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!
Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy
Eny, Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton’ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra; ka rariny raha nataon’Andriamanitra ho tanteraka tamin’ny alalan’ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin’ny famonjena.
Dia nisy ady nitranga tany an-danitra: i Mikaela sy ny anjeliny no niady tamin’ilay dràgona; ary niady ilay dràgona mbamin’ny anjeliny.