Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 22:44 - DIEM PROTESTANTA

44 «Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao» (Sal 110.1)?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 «Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Andriamanitra nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao ambara-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 ,,Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao’’ (Sal. 110.1)?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 22:44
20 Rohy Ifampitohizana  

Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.


Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»


Ry Andriamanitra Mpanjaka ô, ho azonao ny fahavalonao rehetra ary ho eo am-pelatananao ireo rehetra mpankahala Anao.


Koa raha i Davida àry miantso ny Mesia hoe «Tompoko», ahoana no maha Zanany Azy?


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.


Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin’ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.


Fa iretsy fahavaloko tsy nanaiky hanjakako iretsy, dia ento atỳ ka vonoy eto anatrehako!»


Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: –Tompoko sy Andriamanitro!


Satria tsy maintsy manjaka i Kristy, ary hataon’Andriamanitra eo ambany tongotr’i Kristy avokoa ireo fahavalo rehetra.


Ary tsy ireo zavatra ireo ihany fa ny zavatra rehetra mihitsy no ataoko tsinontsinona noho ny amin’ilay zava-tsoa ambony lavitra, dia ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko. Noho ny amin’i Kristy, dia nataoko tsinontsinona ny zavatra rehetra ary noheveriko ho fakofako mba hahazoako an’i Kristy


Tsy misy na oviana na oviana anjely nilazan’Andriamanitra hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Ary hitako nivory ilay biby sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’Ilay mitaingina soavaly fotsy sy amin’ny tafiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra