Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe: –Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay? Dia namaly aho hoe: –Inty aho, iraho aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nandre ny feon’ny Tompo aho hoe: Iza no hirahiko? Iza no handeha ho irakay? Dia hoy aho: Inty aho, iraho aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia reko ny feon’ny Tompo nanontany hoe: –Iza no hirahiko, ary iza no ho mpitondrateninay? Dia namaly aho hoe: –Inty aho, iraho aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:8
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika sy manahaka antsika; ary aoka hanjakany ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra, ny biby fiompy sy bibidia rehetra eto an-tany ary koa ny biby madinika rehetra mandady amin’ny tany!»


Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.»


Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: –Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: –Inty aho.


Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin’ny TOMPO ka nanao hoe: –Abrahama ô! Abrahama ô! Hoy kosa ny navalin’i Abrahama azy: –Inty aho.


Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Indro ny olombelona fa efa tonga tahaka ny iray amintsika momba ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy; koa ankehitriny, aoka izy tsy haninjitra ny tanany haka ny voan’ny hazon’aina ka hihinana amin’izany, dia ho velona mandrakizay!»


Dia niherika izy ka nahita ahy; nantsoiny aho, ary hoy aho taminy: «Inty aho, tompoko!»


Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.


Dia hoy ny TOMPO hoe: Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany; efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko; koa firenena izay tsy niantso Ahy akory no nanambarako hoe: «Inty Aho! Inty Aho!»


Ary nandre ny fikopakopaky ny elany aho rehefa nanidina ireto zava-miaina, fa toy ny firohondrohon’ny ranomasina izany, sy tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha na ny fireondreonan’ny tafika marobe. Rehefa nijanona kosa izy, dia nafihiny ny elany.


Ary heno hatrany amin’ny kianja ivelany ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima, tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha raha miteny.


Avy eo dia reko niteny mafy tamiko ny Tompo nanao hoe: «Manatòna ianareo natao hanafay ny tanàna ka samia mitondra ny fitaovam-pandravana eny an-tanany avy.»


Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.


Dia hoy ny Tompo tamiko: «Mandehana fa Izaho no haniraka anao any lavitra, ho amin’ny hafa firenena.»


Ary amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra.


Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe: –Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?


Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,


dia niantso an’i Samoela ny TOMPO, ary izy namaly hoe: «Inty aho, tompoko»;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra