Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 6:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia hoy indray Izy hoe: –Ndeha lazao amin’ity firenena ity hoe: «Mihainoa ihany ianareo fa tsy handre, mijere ihany fa tsy hahita.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary hoy Izy: Mandehana ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahalala! Hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahafantatra!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia hoy indray Izy hoe: –Ndeha lazao amin’ity firenena ity hoe: «Mihainoa ihany ianareo fa tsy handre, mijere ihany fa tsy hahita.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary hoy izy: «Mandrenesa ianareo, fa aza mahafantatra; aoka hahita ianareo, fa tsy hahazo an-tsaina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahafantatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:9
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny olon-dratsy tsy mahafantatra ny rariny, fa izay mitady ny TOMPO mahalala ny zava-drehetra.


Koa ny tenin’ny TOMPO ho azy ireo dia tonga tsy misy heviny toy ny hoe: «TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ. Ka farany ho tafintohina izy raha mandeha, dia hianjera mitsilany ka hahasimba ny voany, ary hifaningotra tongotra ka tsy ho afa-miarina.


Fa ny TOMPO efa nampidina fanahy mampatory tao aminareo ary notampenany ny masonareo, –hilazana ireo mpaminany izany–, sady nosaronany ny lohanareo, –hilazana ny mpahita izany.


Ary hoy ny Tompo hoe: «Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban’olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.


Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an’ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»


Betsaka ny zavatra hitany nefa tsy nisy tadidiny; manongilan-tsofina hihaino izy, nefa tsy misy zavatra reny.


Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina.


Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.


«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Lô-Hamỳ ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsinontsinona Aho aminareo.»


hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.»


ka namaly hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka «hijery izy fa tsy hahita ary hihaino fa tsy hahafantatra.»


«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»


araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nomen’Andriamanitra fanahy mahadonto izy ireo ka ny masony tsy mahita ary ny sofiny tsy mandre mandraka androany.»


Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra