Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 6:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ataovy tonga mafy fo ity firenena ity ataovy tonga mafy sofina izy ary ataovy tonga jamba ny masony, fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko izy ary ho sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ataovy donto ny fon’ity firenena ity, ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ataovy tonga mafy fo ity firenena ity ataovy tonga mafy sofina izy ary ataovy tonga jamba ny masony, fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko izy ary ho sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ataovy adala ny fon'ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:10
34 Rohy Ifampitohizana  

Donto velona ny sain’ireo, fa izaho miravo amin’ny lalànanao.


Tsy mba manana fo mangoraka izy, ary ny teniny feno avonavona.


Ho fandrika ho an’ny fahavaloko anie ny sakafony ary ho tonga hahavoa azy ny sorom-pihavanana hohaniny!


Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy.


I Mosesy sy i Aharôna anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan’ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin’ny taniny izy.


Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.


Izaho anefa hanamafy fo ny Farao; ka na dia maro aza ireo famantarana sy zava-mahagaga izay hataoko ao amin’ny taniny,


Izay mikimpy maso sy manaikitraiki-molotra dia miteti-dratsy sy mikasa anao izany.


misy fotoana amonoana ary misy fotoana itsaboana; misy fotoana andravana ary misy fotoana ananganana.


Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin’ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.


Koa ny tenin’ny TOMPO ho azy ireo dia tonga tsy misy heviny toy ny hoe: «TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha irỳ. Ka farany ho tafintohina izy raha mandeha, dia hianjera mitsilany ka hahasimba ny voany, ary hifaningotra tongotra ka tsy ho afa-miarina.


Fa ny TOMPO efa nampidina fanahy mampatory tao aminareo ary notampenany ny masonareo, –hilazana ireo mpaminany izany–, sady nosaronany ny lohanareo, –hilazana ny mpahita izany.


Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an’ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»


Migagà ka mitalanjòna ianareo. aoka ho jamba ka tsy hahita, ho mamo nefa tsy amin-divay, hivembena nefa tsy amin-toaka!


Tsy mahalala na inona na inona sady tsy misaina ireny olona ireny, voatampina ny masony ka tsy mahita sady donto rahateo koa ny fony.


TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.


Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamamîny.


Hataonao donto ny fisainany; ary hiharan’ny ozonao ireo.


Ary hoy indray ny Tompo tamiko: –Raiso ankehitriny ny toeran’ny mpiandry adala.


Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.


satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra!


«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»


satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina, ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre, ary ny fony hahafantatra, ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra!»


Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo;


fofona mahafaty tokoa izany ho an’ny very, fa fofona mahavelona tokoa ho an’ny voavonjy. Koa iza moa no antonona ho amin’izany asa izany?


Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.


Nefa tsy nomen’ny TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.


Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.


Any amin’ny tany izay nampanantenaiko ny razambeny manko, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely, no hitondrako ity vahoaka ity; ary hanan-kohanina izy ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa sy hanompo azy, ary hotsiratsirainy Aho ka hivadihany ny fanekempihavanana.


Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra