Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 6:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary hoy aho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ny tanàna ka tsy hisy mponina, ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tanteraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:11
28 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra ô, mandra-pahoviana no hiteny ratsy Anao ny mpandrafy anay? Ary moa ny fahavalonay ve dia tsy hitsahatra hanamavo Anao?


TOMPO ô, mandra-pahoviana izahay no hitananao ny fahatezeranao sy ity fahasarotam-piaronao izay mandoro tahaka ny afo?


TOMPO ô, mandra-pahoviana no mbola hitezeranao anay? Mba itodiho izahay mpanomponao ka amindrao fo.


TOMPO ô, mandra-pahoviana no hifalifalian’ny olon-dratsy, eny, mandra-pahoviana?


Efa lao ny taninareo, kilan’ny afo ny tanànanareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.


Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ôfira aza.»


Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanàna, ho toy ny vehivavy very fananana mitorevaka amin’ny tany.


Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.


Nilaozana ny lapan’ny mpanjaka, nangina ilay tanàna naresaka; ny faritr’i Hôfela sy ny tilikambo fitiliana dia nanjary toera-malalaka lalandava izay fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andiam-biby fiompy.


Aoka hiravoravo ny taniefitra sy ny tany karankaina! Aoka hifaly ny tany ngazana ka hamony voninkazo meva toy ny lisy.


Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia reko nanao fianianana hoe: «Tsy maintsy horavana ireo trano maro ireo; eny, na ny lehibe sy mamirapiratra aza, dia ho lao tsy hisy mpipetraka.


Nafoy ianao teo ka tsy nisy tia anao na mba nandalo nijery anao akory, fa izao dia hataoko foto-pireharehana ianao ho an’ny taonjato mifanesisesy ary hataoko foto-pifaliana ho an’ny taranaka mifandimby.


Ny tempoly masina sady mamirapiratra izay nanaovan’ny razanay hira fiderana Anao dia kilan’ny afo, ary ny zava-drehetra maminay indrindra dia rava avokoa.


Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.


Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Hitanareo ny loza rehetra izay nampihariko tamin’i Jerosalema sy ireo tanàna hafa rehetra tany Joda. Ankehitriny ireny dia efa lao sady tsy misy mponina intsony ao aminy,


ary nasain’ny mpanjakan’i Babilôna novonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka jodeanina ho babo lavitry ny taniny.


Any amin’izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanàna, ary ho ravàna ny toeram-panasinana. Ho ravàna koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary hosimbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia holevonina avokoa izay namboarinao.


Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»


Horavako ny tanànanareo, ka hataoko tonga lao ny trano fivavahanareo, ary tsy hankasitrahiko velively ny hanitry ny soronareo.


Ianareo kosa, ady no hapoakako hamelezana anareo ka haeliko any amin’ny firenen-kafa ianareo; dia ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.


Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny mandatsa anareo, sy hiventesana hiran-toloko ka hilazana hoe: «Levona tanteraka izahay! Lasan’olon-kafa ny anjaran’ny firenenay! Nahoana no nesorin’ny Tompo taminay ny taninay ka zarainy ho an’ny mpanohitra anay?»


Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.


Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.


Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.


Iny ianareo efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka iny, dia olona vitsy no ho sisa tavela aminareo, satria ianareo tsy nanaiky ny TOMPO Andriamanitrareo.


Araka izay nifalian’ny TOMPO hahasoa sy hahamaro anareo no hifaliany handringana sy handrava anareo; ka hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra