Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 6:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko: «Indro efa nitehika ny molotrao ity; koa afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary natehiny ny vavako izany ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io: Afaka ny helokao ary voavela ny fahotanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Natehiny tamin’ny vavako izany, ary hoy izy tamiko: «Indro efa nitehika ny molotrao ity; koa afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy: «Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin'ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»


Kanefa Izaho dia Izaho mihitsy no mamela ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako ihany, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


Kanefa voalefona noho ny helotsika izy sady notorotoroina noho ny fahadisoantsika; ny famaizana antoky ny fiadanantsika no nihatra taminy, ary ny ratra nahazo azy no nahasitrana antsika.


Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.


dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»


Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.


Fa indro nisy anankiray nanana endrik’olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin’ilay nitsangana teo anilako hoe: ‹Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.


«Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy.


Dia niteny io anjely io ka nandidy ireo olona teo akaikin’i Josoa hoe: –Esory aminy ny fitafiana maloto. Dia hoy kosa ilay anjely tamin’i Josoa: –Indro efa nesoriko ny fahotanao ka hampiakanjoako fitafiana mihaja ianao.


Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin’olona teo aminy. Hitan’i Jesoa ny finoan’ireto olona, ka hoy Izy tamin’ilay malemy: –Mahereza, anaka; voavela ny helokao!


Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra