Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -

Daniela 12 - DIEM PROTESTANTA


Ny fotoana mampahory sy ny fitsanganan-ko velona

1 «Hoy koa ilay anjely tamiko: ‹Amin’izany fotoana izany dia hitsangana i Mikaela, ilay filoha lehibe, izay mijoro homba ny firenenao; ary hisy fotoana mampahory tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisiam-pirenena ka hatramin’io fotoana io. Ary amin’izany fotoana izany dia ho voavonjy ny olona rehetra anisan’ny firenenao, ka hita voasoratra ao amin’ny boky.

2 Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay.

3 Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.

4 «Ry Daniela, ahorony hiafina ireo teny ireo ka asio tombo-kase tsy ho azo sokafana ity boky ity ambara-pahatongan’ny fotoana farany; ho maro amin’izay no hamaky azy ka hitombo fahalalana.


Zava-miafina ny fotoana farany

5 «Izaho Daniela dia nijery hatrany ilay fahitana ka indro nisy olona roa hafa nitsangana, ny anankiray teto amoron’ny ony an-kilany ary ny anankiray terỳ amoron’ny ony andaniny.

6 Ary ny anankiray tamin’ireo no niteny tamin’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy teo ambonin’ny ranon’ny ony ka nanao hoe: ‹Rahoviana no hifarana ireo zava-mahagaga ireo?›

7 Ary ilay lehilahy nitafy rongony fotsy teo ambonin’ny ranon’ny ony nanangana ny tanany ankavanana sy ankavia ho amin’ny lanitra ka reko niteny hoe: ‹Amin’Ilay Andriamanitra velona mandrakizay no ianianako fa telo taona sy tapany no haharetan’ireo zavatra ireo; ary hifarana ireo rehefa ho montsana tanteraka ny herin’ilay vahoakan’Andriamanitra.›

8 «Izaho Daniela dia nandre izany nefa tsy nahafantatra ny heviny, ka nanontany hoe: ‹Tompoko, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?›

9 Fa namaly izy hoe: ‹Ry Daniela, mandehana fa efa voahorona hiafina ireo teny ireo sady voaisy tombokase tsy ho azo sokafana mandra-piavin’ny fotoana farany.

10 Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hosedraina; ny olon-dratsy kosa tsy hisy hahafantatra ny heviny ka mbola hanao ratsy ihany, fa ny hendry no hahafantatra.

11 Ary manomboka amin’ny fotoana hampitsaharana ny sorona fanao isan’andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1 290 andro.

12 Sambatra izay hiandry ka hahatratra ny 1 335 andro.

13 Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› »

Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara © Malagasy Bible Society, 2004.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra