Jereo fa hiandriandry eny amin’ny taniefitra akaikin’ny fitana an’i Jôrdàna aho mandra-pahazoako izay vaovao avy atỳ aminareo.
Josoa 5:10 - DIEM PROTESTANTA Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nitoby tany Gilgala ny Zanak’Israely ka nitandrina ny Paska teo amin’ny tany ngazana any Jeriko, tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io. Baiboly Katolika Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro faha-14n’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Zanak’Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana, teo amin’ny tani-hay any Jeriko. Malagasy Bible Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko. La Bible en Malgache Ary nitoby tany Gilgala ny Zanak’Israely ka nitandrina ny Paska teo amin’ny tany ngazana any Jeriko, tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana. |
Jereo fa hiandriandry eny amin’ny taniefitra akaikin’ny fitana an’i Jôrdàna aho mandra-pahazoako izay vaovao avy atỳ aminareo.
Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.
Manomboka ny harivan’ny andro faha-14 amin’ny volana voalohany ka hatramin’ny harivan’ny andro faha-21 amin’ny volana no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora.
Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.
Kanjo nanenjika azy ny tafika babilônianina ka nahatratra an’i Tsedekià tao amin’ny lemak’i Jerikao. Dia nisambotra ity mpanjaka izy ary nitondra azy tany amin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, tanin’i Hamata, tamin’izany fotoana izany. Tao no namoahan’i Nebokadnetsara didim-pitsarana hamelezana an’i Tsedekià.
Noho izany, fehezo ny entana izay ilain’ny babo anankiray ary omany antoandro eo imason’ny besinimaro ny fiainganao ho any am-pahababoana. Ialao ny toerana misy anao, ka mifindrà any an-toeran-kafa, ary eo imason’ny besinimaro no anaovy izany; angamba mba ho tsapany fa tena maditra izy.
«Ny volana voalohany, andro faha-14, rehefa hariva, dia fankalazana ny Paska hanajana Ahy TOMPO.
Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»
Ny andro fahafolon’ny volana voalohany no nitàn’ny vahoaka israelita an’i Jôrdàna, ary nitobiany tao Gilgala teo atsinanan’i Jerikao.
Ny ampitson’ny Paska dia nihinana mofo tsy misy leviora sy lango avy amin’ny vokatry ny tany izy.
Dia nankany amin’i Josoa sy ny Israelita izay nitoby tao Gilgala ry zareo ka nanao taminy hoe: –Avy any an-tany lavitra izahay no tonga hangataka anareo hanao fanekempihavanana aminay izao!
Isan-taona izy dia nandeha nitety an’i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepà ka nitsara tamin’ireo tanàna telo ireo.